Ny sehatry ny ronono

Ny fiompiana

Mitaky fikarakarana manokana ny ombivavy be ronono. Misy fepetra efatra fototra ilaina mba hiantohana ny fahasalaman’izy ireo sy ny kalitaon’ny ronono vokariny : sakafo ara-pahasalamana, fitantanana hentitra ny fiterahana, fanatsarana ara-pirazanana, ary fanaraha-maso tsy tapaka ny fahasalamany. Isan’andro dia eo anilan’ny mpiompy ny SOCOLAIT, manome torohevitra sy fanohanana ara-teknika mba hahafahana manangana sehatra famokarana ronono avo lenta.

Atao in-droa na intelo isan’andro ny fiterena ronono amin’ny omby vavy. Rehefa teraka ny zanak’omby iray dia mamoaka ronono mandritra ny 10 volana eo ho eo izy, ary mety hahatratra hatramin’ny 25 litatra isan’andro ny vokatra.

Angonina mivantana eny amin’ny mpiompy ny ronono. Amin’io fotoana io ihany no anaovana fitsirihana voalohany, mba hahazoana antoka fa manara-penitra ny ronono.

Rehefa voaangona dia tehirizina ao anaty fitoerana mangatsiaka ny ronono. Maka santionany avy amin’ny vokatra izahay, ary atao fitsirihana ao amin’ny laboratoara nahazo fankatoavana izany, mba hanamarinana ny fahadiovana sy ny kalitaon’ny ronono. Rehefa voamarina fa mifanaraka amin’ny fepetra ny vokatra, dia vonona ny ho aodina avy hatrany.

Rehefa avy notsirihana ny ronono, dia entina mankany amin’ny laiterie, amin’ny alalan’ny kamiao izay miantoka sy mitandro ny rojo mangatsiaka mba tsy ahasimba azy.

Ny ronono dia mandalo dingana maromaro mba hahazoana antoka ny kalitao sy ny fiarovana azy : afangaro amin’ny akora hafa (ronono, siramamy, crème), atao “pasteurisation” hanesorana ireo bakteria mety hampidi-doza, amboarina manaraka ny fenitra ny tahan’ny menaka, ary avy eo dia fonosina; izany hoe atao amin’ny endriny farany ahitantsika azy ireny.

Rehefa vita ny fanodinana dia fonosina sy tehirizina ao anaty trano mangatsiaka ny vokatra, mba hitazonana ny  kalitaony. Avy eo dia zaraina manerana ireo toeram-pivarotana, amin’ny alalan’ny tambazotra fitaterana matihanina  tsara, izay mitandro hatrany ny rojo mangatsiaka hatramin’ny farany.