Ny Tantaranay

Hatramin’ny taona 1989, LECOFRUIT dia manangana sehatra fambolena mandray andraikitra eto Madagasikara, amin’ny alàlan’ny fanomezana lanja ireo vokatra tsara kalitao avy eto an-toerana.

Manomboka tamin’ireo « cornichons extra-fins » voalohany niarahana tamin’ireo tantsaha mpiara-miasa ho an’i AMORA-MAILLE ka hatramin’ny maha mpisehatra voalohany amin’ny tsenan’ny haricots voatily sy voalamina an-tànana anaty tavoahangy ankehitriny, ny tantaranay dia voamariky ny fanavaozana sy ny fandraisana andraikitra.

Nandritra ny taona maro, dia nampitombo karazana voly izahay, nampiditra fomba fiasa ara-biolojika, ary nampivoatra ny varotra any Eropa tamin’ny alàlan’i Velona, sampana frantsay anay.

Voamarina BSCI sy ISO 14001 izahay, ary mampiaraka ny kalitao, ny asa maharitra ary ny fiantraikany tsara eo amin’ny fambolena malagasy, eo amin’ny asanay.

1989

Niorina ny LEgumineuses COndiments FRUIT

1993

Naorina ny ozinina voalohany tao Antananarivo

1997

Nanomboka nifantoka tamin’ny haricots “extra fins” – voangona sy voalamina amin’ny tanana

2007

Nivoaka ny vokatra voalohany amin’ny Haricots Bio

2010

Namokatra asperges voalohany

2011

Niorina ny sampana Velona

2013

Niditra tao amin’ny Kaody BSCI

2017

Nahazo ny taratasy fanamarinana ISO 14001

2020

Nisokatra ny ozinina faharoa, tao Antsirabe

2020

Nivoaka ny vokatra voalohany amin’ny cornichons

2021

Nivoaka ny vokatra voalohany amin’ny haricots tsy misy sisan’ny fanafody famonoana bibikely

2022

Nivoaka ny vokatra voalohany amin’ny artichauts

Group-1117.png

Notre histoire

Depuis 1989, Lecofruit construit une filière agricole responsable à Madagascar, en valorisant des cultures locales de qualité.
De nos premiers cornichons extra-fins produits avec de petits paysans pour AMORA-MAILLE à notre position de leader mondial des haricots verts en bocaux, notre histoire est marquée par l’innovation et l’engagement.

Au fil des années, nous avons diversifié nos cultures, intégré des pratiques biologiques et renforcé notre présence en Europe avec Velona, notre structure de distribution.
Certifiés BSCI et ISO 14001, nous poursuivons notre développement en conciliant qualité, durabilité et impact positif sur l’agriculture malgache.