Home » Ny asanay sy ireo marika vokarinay
Ny asanay sy ireo marika vokarinay
Miasa eo amin’ny sehatry ny fambolena, ny indostria ary ny fitsinjarana izahay.
Na amin’ny legioma, hoditra, ronono na ireo akora ampiasaina amin’ny fanamboarana biscuits sy sakafo fitsaboana, dia manolo-tena izahay hanome lanja ny fahaiza-manao avy eto an-toerana ary hampiroborobo seha-pihariana maharitra. Mitovy hatrany ny fepetra takiana eo amin’ny fambolena, ny fiompiana sy eo amin’ ny fanodinana ireo akora eny amin’ny ozinina sy ny fitsinjarana azy.
NY ASANAY
Ny rafitra tokana ampiasainay dia miantoka vokatra tsara sy manara-penitra ho an’ny mpanjifa.
Fambolena
Sehatry ny legioma
Sehatry ny hoditra
Sehatry ny ronono
Sehatra vaovao amin’ny fambolena
Indostria
Legioma voatahiry
Kiraro
Lamba sy akanjo
Vokatra azo avy amin’ny ronono
Sakafo ho an’ny zaza
Tsakitsaky mamy sy masira
Vatomamy
Sakafo fitsaboana
Fitsinjarana
Varotra ifanaovana amin’ny orinasa any Eropa
Fivarotana manokana
Tambanjotra mahazatra sy vaovao
Misolo-tena marika avy any ivelany
IREO MARIKA VOKARINAY
Nandritra ny 75 taona mahery dia mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy ny marika vokarinay eto Madagasikara.
Tsakitsaky mamy
Vatomamy
Tsakitsaky masira
Vokatra azo avy amin’ny ronono
Sakafo ho an’ny zaza
Marika isoloana tena
Kiraro, vokatra azo avy amin’ny hoditra, akanjo
IREO LEGIOMA VOKARINAY
Ireo legioma amidinay any Eropa dia vokarina eto Madagasikara.
Ny haricots verts, asperges, cornichons ary artichauts vokarina eto Madagasikara, avy amin’ny fambolena nentim-paharazana sy ara-drariny na fambolena biolojika , dia tafiditra ao anatin’ny sakafo isan’andron’ireo mpanjifa Eoropeana an-tapitrisany maro amin’ny alàlan’ny marika nasionaly sy marika mpaninjara. Mpiara-miasa 25 mahery no mahatoky anay.
Ny mpiara-miombon’antoka aminay rehetra dia manaraka ny fenitra iraisam-pirenena momba ny fahasalamana, ny kalitao ary ny fiarovana.