Home » Ny vokatra sy tolotra tsara omenay
Manolo-tena izahay amin’ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny toekarena malagasy.
Mamolavola vokatra tsara kalitao eto an-toerana izahay, ary miantoka azy ireo mba hanara-penitra. Manjinjara vokatra avy eto an-toerana sy avy any ivelany ihany koa izahay, izay manaraka ny lalàna sy ny fividianana tompon’andraikitra miaraka amin’ireo mpamatsy entana rehetra.
Ny tanjona dia ny fampivoarana ny sehatry ny fambolena eto an-toerana, mba hanatsarana ny fiainan’ny mponina any ambanivohitra.
Ny tetikasanay mamolavola vokatra sy tolotra tsara kalitao eto an-toerana
FSSC 22000
Fanamarinana izay mampiseho ny fanoloran-tena amin’ny fiarovana ny sakafo, ny kalitao, ny fanarahana fenitra, ary ny fanatsarana maharitra.
Sehatra hoditra
Fandrindrana ny sehatra hoditra eto an-toerana mba hahafahana mamokatra kiraro tsara kalitao sy vita malagasy.
Laharana maitso
Afahan’ireo mpanjifa mandefa fitarainana sy maneho soso-kevitra (azo antsoina ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma)
+261 32 32 031 03
Fampandrosoana ny sehatra fambolena eto an-toerana : mangahazo sy katsaka
Ho an’ny famatsiana akora fototra sy ho fanohanana ireo tantsaha malagasy
210 Mpamokatra mangahazo
Fanamarinana ISO 22000
Fenitra iraisam-pirenena miantoka ny fitantanana ny fiarovana ara-tsakafo amin’ny dingana rehetra mandritra ny famokarana
Fanamarinana azon’ny ozinina mpamokatra biscuit sy vatomamy tamin’ny 2024
Tanjona amin’ny 2027 : Fahazoana fanamarinana ho an’ireo ozinina 3
Fanamarinana HACCP
Fomba famantarana, fanombanana ary fifehezana ny loza ara-tsakafo mety hitranga
Ny ozinina 3 dia efa nahazo fanamarinana nanomboka tamin’ny 2021
Kalitaon’ny vokatra – Tahan’ny siramamy
Ho fanomezana sakafo ara-pahasalamana ho an’ny mpanjifa
Nahena 10 ka hatramin’ny 50% ny
tahan’ny siramamy amin’ny vokatra 10
Kalitaon’ny vokatra – Tahan’ ny menaka na “matière grasse”
Ho fanomezana safidi-tsakafo isan-karazany nefa tsy manova ny tsirony
Nahena 7% ka hatramin’ny 57% ny tahan’ny
menaka amin’ny vokatra 18
Fanaraha-maso ny ronono sy ireo akora fototra
Fanaovana fanadihadiana sy fitsirihina amin’ny dingana rehetra amin’ny famokarana.
100% amin’ny ronono sy ny akora fototra no voara-maso.
Sehatry ny ronono Malagasy
Fiaraha-miasa amin’ny tantsaha mpiompy hanatsarana ny kalitaon’ny ronono sy hampitomboana ny vokatra, amin’ny alalan’ny fanohanana ara-teknika sy ara-pahasalamana
4 000 ny isan’ireo mpiompy omby vavy
Fanamarinana HACCP
Fenitra iraisam-pirenena miantoka ny fahadiovan’ny sakafo, miaraka amin’ny fanaraha-maso isan-taona nanomboka tamin’ny 2020.
Fandrefesana ny fahafaham-pon’ireo mpisehatra ao anatin’ny rojo fitsinjaràna
Mba hahazoana antoka fa afa-po hatrany ireo mpiara-miombon’antoka aminay sy hanatsarana tsy tapaka ny kalitaon’ny tolotra omena.
96% tahan’ny kalitao tamin’ny 2024
97% an’ny tanjona no tratra ho an’ny 2025
Fitantanana ny fitarainana azo
Ho fanangonana ny fitarainana avy amin’ireo mpisehatra ao anatin’ny rojo fitsinjaràna isan’andro.
100% ny fitarainana voavaly
Tarehimariky ny fitsinjaran’ny vokatra
Fisian’ny vokatra eny amin’ireo toerana fivarotana eny an-tsena.
Ny yaourt tamin’ny 2024 : 66%
Ny Jumbo tamin’ny 2024 : 91%
Fisafidianana hentitra ny legioma
Angonina amin’ny tanana am-pitandremana, fantenana araka ny habe, endrika, bika ary fahamatorana, mba hiantohana ny kalitao tsara indrindra.
Entina ao anatin’ny 24 ora mankany amin’ny toerana fanodinana mba hiantohana ny kalitaon’ ny legioma.
Fomba fambolena maharitra mifanaraka amin’ny tontolo iainana
Fanohanana ny mpamboly rehetra
Fampiasana compost tsy tapaka sy manerana ny toerana rehetra
50 000 taonina compost vokarina isan-taona
500 teknisiana mpanara-maso voaofana momba ny fambolena maharitra
100% amin’ny fambolena eny an-tendrombohitra no manaraka ny endriky ny toerana
Fanamarinana ny legioma
Fanamarinana Bio EU, tsy misy sisam-panafody (pesticide), ary Fair for Life.
15% amin’ny vokatra rehetra dia voamarina ho BIO, FFL, ary tsy misy sisam-panafody (pesticide)
Fanaraha-maso tanteraka
Noho ny fifehezana ny dingana tsirairay amin’ny rojom- pamokarana, manomboka amin’ny fanangonana ka hatramin’ny fanaterana any amin’ny mpanjifa.
100% amin’ny vokatray dia voara-maso
FSSC 22000
Fanamarihana maneho ny fandraisana andraikitra amin’ny fiarovana ny sakafo, ny kalitao, ny fanarahana fenitra ary ny fanatsarana maharitra.
Fanangonana vokatra matihanina
Fanaraha-maso hentitra isaky ny dingana ao amin’ny rojom-pamokarana mba hananganana sehatra hoditra malagasy avo lenta
300 ny olona natokana amin’ny fanangonana hoditra
Fanamarinana SLF
Fanadihadiana ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena momba ny rojom-pamokarana hoditra araka ny andry 3 (tontolo iainana, sosialy, fitantanana)