Ny haricots, cornichons, asperges ary artichauts vokarinay dia maniry
amin’ny tany; angonina isa-maraina ary alamina amin’ny tanana.
Home » Lecofruit
Hatramin’ny taona 1989, izahay dia miahy hatrany ny fomba fambolena nentim-paharazana miaraka amin’ireo mpamokatra mpiara-miombon’antoka miisa 15 000 ; miaraka amin’izy ireo, nametraka fomba fiasa tahaka ny “coopérative” izahay.
Any amin’ireo toeram-pambolenay, dia mamorona sy manandrana fomba fanao vaovao izahay ho an’ny fambolena maharitra. Amin’ny alalan’ny sampana VELONA, afaka miantoka ny fitsinjara ny vokatray araky ny fepetra iraisam-pirenena hentitra indrindra izahay. Ny modely mirindra ampiasainay dia manome antoka ny fanaraha-maso tanteraka ny lalan’ny vokatra : manomboka amin’ny fambolena, fanodinana, hatramin’ny fitsinjarana.
Ny kalitaon’ny legioma maro samihafa vokarinay dia ankatoavin’i Eropa manontolo ary nahazoanay fitokisana avy amin’ireo mpaninjara sy mpanjifa. Izany no mahatonga anay ho mpisehatra manan-danja amin’ny tsena eropeanina raha haricots verts extra-fins no resahina, na amin’ny fambolena mahazatra na amin’ny fomba bio (Label AB).