Miara-miasa amin’ireo mpiompy ao amin’ny faritra Vakinankaratra izahay, faritra izay tafiditra anatin’ny fiainana andavanandro mihintsy ny famokarana ronono.
Efa napetraka ny tambajotra fanangonana ronono, ahafahana maka ronono velona mivantana avy any amin’ireo tokantrano mpiompy isan’andro. Ity fifandraisana akaiky amin’ny mpamokatra ity no miantoka ny kalitaon’ny akora fototra ary manamafy ny fifandraisana amin’ny fiaraha-monina eny ifotony.
Rehefa voaangona, dia ahodina ao amin’ny laiterie SOCOLAIT ao Antsirabe ilay ronono, amin’ny alalan’ireo milina avo lenta sy maoderina. Ho lasa vokatra isan-karazany toy ny yaourt, crèmes fraîches, dibera, fromazy, ronono mandry mamy ary koba ho an’ny zazakely.
Tandremana mafy ny kalitao amin’ny dingana rehetra, mba ahazoana antoka amin’ny fiarovana ara-tsakafo sy ny tsiro.
SOCOLAIT ne cesse d’innover pour répondre aux besoins et aux attentes des consommateurs. Nous investissons en permanence dans la recherche et le développement pour améliorer nos méthodes de transformation, créer de nouveaux produits, et offrir à nos clients une qualité toujours supérieure. L’innovation est au cœur de notre stratégie pour faire évoluer la filière laitière malgache.