SOCOAINA. Ho lovan’ny taranaka mifandimby
Ny tetikasanay
mitandro ho faran’izay kely ny fiantraikan’ny asa ataonay eo amin’ny tontolo iainana
Fampihenana ny rano sy herinaratra ampiasana
Fanentanana sy fampatsiahivana isam-bolana ho an’ny mpiasa rehetra amin’ny maha zava-dehibe ny rano sy ny herinaratra
1 isam-bolana ny fampatsiahivana
Fampihenàna ny fako plastika
Fanalàna ireo tavoahangy plastika amin’ireo toeram-piasana rehetra : fametrahana loharano misy rano madio ary fanomezana gourde ny mpiara tsirairay
0 ny isan’ny tavoahangy plastika nampiasana tamin’ny 2023
100% amin’ireo mpiara-miasa no nahazo gourde
Fambolen-kazo
Ataon’ireo mpiara-miasa sy ny fianakaviany isan-taona, ho fiarovana ny tontolo iainana sy ho fampianarana ny lanjany ho an’ireo taranaka fara-mandimby.
6 000 ny isan’ny hazo nambolena.
Fanavahana ny fako
Fanaparitahana fanariam-pako sy fampahatsiahivana ny fomba fampiasàna azy isan’andro
220 000 kilao ny fako voasokajy hatramin’ny anio.
Biogaz
Fanodinana ny fako organika ho lasa angovo madio amin’ny alalan’ny famokarana biogaz mba hialàna amin’ny fampiasàna gaz mahazatra
1 750 m3 ny biogaz novokarina hatramin’ny 2022